Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Andro afrikana ho an’ny asam-panjakana na journée Africaine de la Fonction Publique.

Nankalaizana ny faha 23 sy 24 Jona 2022 tao amin’ny biraon’ny Ministera misahana ny Asam-panjakana ny fankalazana ny andro AFRIKANA ho an’ny asam-panjakana , anisany nandray anjara tamin’ny tranoheva ny teto anivon’ny BNGRC.
 
Nisy ny lanonana ofisialy izay nanamarihina ity andro ity , ary anisany notoloran’ny Ministeran’ny Asa sy ny Fampananan’asa ary ny lalana Sosialy ny “Prix de l’innovation dans la Fonction Publique” ny teto anivon’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza marihina fa nahazo ny laharana faharoa ny BNGRC raha ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izay ministera mpiahy no nahazo ny loka voalohany.
 
Tonga nandray ny mari-pankasitrahina izay natolotr’i Ramatoa Gisèle RANAMPY Minisitrin’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalana Sosialy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja .