Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

VANGAINDRANO : MITOHY NY FIZARANA FANAMPIANA HO AN’IREO MPONINA TRATRY NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA AMIN’NY ALALAN’NY BNGRC

Distrika tsy nahenoana mosary na kere hatramin’izay ny distrikan’i Vangaindrano noho izy mbola manana tany lonaka ho amin’ny fambolena , ny toetany  sy ny toetrandro rahateo mety tsara amin’io fambolena io fa noho ny nafitsok’ireo rivodoza nifanesy izay nanimba ny seha-piarian’ny mponina dia sahirana ny mponina noho ny tsy fisian’ny eo antanana, ambonin’io maro ireo olona izay niary tamin’ny faritra arovana  no nalana tao amin’io faritra io ka voatery nifindra toerana , ireo antony ireo no nahatonga an’ity mosary ity aty antoerana vokany vodivia sy veoveo sisa no nohanin’ny mponina noho ny tsy fahitana toerana ambolena ,sarotra ihany koa ny fampidiram-bola ho an’ny isan-tokantrano, etsy andaniny ny haratsin’ny lalana tsy nahafahana namoaka ireo vokatra kely teo ampelatanana

Taorian’ny fanadihadiana natao miampy ny tatitry ny solotenam-panjakana (olomboafidy sy olomboatendry) taty ifotony dia nidina avy hatrany ny ny fitondram-panjakana  amin’ny alalan’ny BNGRC nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan’ny mponina.

Tonga teny ifotony mihitsy ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Vangaindrano, Sefo Distrikan’i Vangaindrano, ireo mpikambana ao amin’ny OMC : mpampanoa lalàna, mpanampy parlemantera , komandin’ny kaompanian’ny zandarimaria, kaomisera ny Polisy ao Vangaindrano, nizara ireo fanampiana ara-tsakafo izay avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy ireo  .

Fanampiana ara-tsakafo, vary milanja 35 taonina no nozaraina an’ireo kaominina 7 ao amin’i Distrikan’i Vangaindrano, Faritra Atsimo atsinanana izay samy nahazo 5 taonina isaky ny kaominina.

Ratsy tokoa ny lalana mandeha amin’ireo kaominina 7 ireo, misy aza ny tsy tongan’ny fiara mihitsy ka ireo mponina amin’ilay toerana ihany no nibata ireo vary izay natao tamin’ny alalan’ny dia an-tongotra amina kilometatra misimisy ihany.

Ny kaominina Ambatolava, Vatanato, Bevata, Ambongo, Ranomena, Karimbary, Lohafary dia samy nahazo vary 5 taonina avy izay nozaraina amin’ireo tena tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ilay toerana.

Vonjiranovaky ity fanampiana natao ity fa mbola hisy ny fanomezana hatao arakaraky ny fahafaha-miarina eo amin’ireo vahoaka ianjadian’ity tsy fahampiana ara-tsakafo ity. 

.

.

#MID

#BNGRC