Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ANTANAMBAO MANAMPONTSY : FANAMPIANA HO AN’IREO TRABOINA VOKATRY NY HAITRANO.

Fianakaviana 93 ahitana olona 300 mahery no traboina tsy nahy vokatry ny haintrano nitranga ny herinandro lasa teo tao amin’ny fokontany Ambodimeragna distrikan’i  Antanambao Manampontsy.

Tsy misy azo noraisina intsony ny fananana rehetra fa lavenona no sisa  ka nahatonga azy ireo nitaraina taty amin’ny fitondrana foibe amin’ny alalan’ny BNGRC , ka tsy niandry ela fa andro vitsy monja taorian’ny fahamaizana dia efa tonga tany antoerana ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindoza nijery ifotony ny fahavoazana no sady  nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan’izy ireo.

Ankoatran’ireo fanampiana hampiasaina amin’ny andavan’andro dia nojerena manokana ihany koa ny fahasalaman’ny mponina sy ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra izay may avokoa.

Ratsy dia ratsy ny lalana mihazo an’i Antanambao Manampontsy saingy tsy nahasakana ny ekipan’ny BNGRC tsy hanatitra ny fanampiana izany ho fampitovinjo ny distrika rehetra izay tsy misy atao zanak’ikala hafa.

.

.

#MID 

#BNGRC