Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA ARA-TEKNIKA HO FANAMARINANA SY FANANGONANA IREO TATITRA ARY FANDRAFETANA NY TATITRA MOMBA NY FAKANA NY HEVITRY NY VONDROM-PIARAHAMONINA ARY KOA NY FANAOVANA HO LAHARAM-PAHAMEHANA SY FANKATOAVANA IZANY. FILANA ARA-TSERASERA EO AMIN’NY FIARAHA-MONINA SY FIOFANANA.

Nanomboka ny 14 Febroary 2023, ny atrikasa fanamarinana sy fanangonana ary fandrafetana ireo tatitra vokatry ny fakan-kevitra ifotony tamin’ireo vondrom-piarahamonina, izay notontosaina teny anivon’ny Faritra telo any Atsimo dia ny Faritra Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy tamin’ny distrika 14 mandrafitra ireo faritra ireo.

Naharitra telo andro izany atrikasa izany dia ny 14 ka hatramin’ny 16 Febroary 2023 lasa teo tao Antsirabe, iarahan’ny teknisianina eo anivon’ny BNGRC, izay notarihin’ny Ramatoa Tale Jereraly lefitry ny BNGRC RAZAFIMANANTSOA Mirana Miarimanana sy ireo mpisehatra hafa toy ny Ministera, CUA, ny BNGRC avy any amin’ny faritra ary ny CROC.

Ny tanjon’ny atrikasa dia ny hijery araka ny vokatry ny fanadihadiana an’ireo laharam-pahamehana amin’ny tena filàna eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny lafiny serasera sy fampiofanana ary hamoaka ireo tsoankevitra momba ny fanohanana ara-tekinika ilain’ny mponina amin’ny asa fivelomana andavanandro.

Izany rehetra izany moa dia ho fanamafisana hatrany ny fahafaha miatriky ny mponina ireo voina mety hitranga.

Ny tetikasa MIONJO izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena no namatsy ara-bola ny asa rehetra izay notanterahina.

 

#MID

#BNGRC

#tetikasa_MIONJO

#Izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza