Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA FAMPIOFANANA SY FANETSIKETSEHANA IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY KOMITY KAOMINALY MOMBA NY FITANTANANA NY TANDINDON-DOZA SY NY LOZA (CCGRC).

Notanterahina ny 27 sy 28 Martsa 2023 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Farafangana ary ny 30 sy 31 Martsa 2023 tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Vangaindrano ny fampiofanana sy fanetsiketsehana ireo mpikambana ao amin’ny Komity Kaominaly momba ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (CCGRC).

Na dia mbola ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza isika dia natao izao fampiofana izao mba hanamafisana ny traikefa izay efa ananan’ireo komity ireo sy mba ho fampahatsiahivana azy ireo ny anjara andraikiny ao anatin’ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza, indrindra ny fiatrehana ny  rivodoza sy tondra-drano

Izao atrikasa izao no tanteraka dia tao ny fanohana ara-teknika amin’ny fampiofanana ireo mpandray anjara avy eto anivon’ny BNGRC sy ny fanohanana ara-bola avy amin’ny mpiaramiombon’antoka WHH.

Marihina fa ankoatry ny fampiofana izay natao dia nisy ny fizarana fitaovana mégaphones, afisy mirakitra filazana loza ary « fiche EIMA » (fanaovana tombana) ho an’ireo filohan’ny fokontany tsirairay amin’ireo Kaominina voalaza etsy ambony ireo mba hanamafisana ny fandrindrana ataon’izy ireo eny ifotony.

.

.

#MID

#BNGRC

#WHH