Nosokafana ny 21 Martsa 2023 tao Morondava ny atrikasa fampivondronana ireo mpanao gazety an-tsary sy an-tsoratra ao Menabe, izay Andriamatoa Préfet ny Morondava sy ny Ramatoa Talen’ny ODDL no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy.
Atrikasa hanatsarana ny kalitaon’ny fampahalalam-baovao ka hahamora ny fahazahoana vaovao ho an’ny vondrom-piarahamonina rehetra,indrindra ny any amin’ireo faritra atahorana amin’ny fiantraikan’ny rivodoza sy ny ranobe.
Voasolon-tena avokoa ireo mpiserasera avy amin’ny Distrika 05 (dimy) ao amin’ny Faritra Menabe ,dia ny Distrikan’ny Morondava, Miandrivazo, Mahabo, Belo/Tsiribihina ary Manja.
Marihina fa naharitra ny 02 andro ny fanantanterahana ity atrikasa ity izay notohanan’ny UNICEF arabola , ny ODDL no namolavola izany ary ny BNGRC no teo amin’ny tantsoroka sy ny nandray an-tanana ny teo amin’ny lafiny teknika dia ny fampiofanana ireo mpanao gazety.
#MID
#BNGRC
#ODDL
#UNICEF