Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Atrikasa fanavaozana ny drafitra enti-miatrika ny rivodoza sy ny tondradrano ho an’ny distrikan’ambanja

Notanterahina ny 6 -7- 8 Desambra 2021 ny atrik’asa fanavaozana ny drafitra enti-miatrika ny rivodoza sy ny tondradrano ho an’ny Distrikan’Ambanja.

Nosokafan’ny Ramatoa lehiben’ny Distrika lefitra tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa ary notronin’ny Ramatoa lefitrin’ny Ben’ny tananan’Ambanja. Manodidina ny efapolo (40) ireo mpandray anjara tamin’izany.

Tanjona ny hanalefahana ny fiantraikan’ny tadidondoza sy ny loza ka ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza eto aminn’ny Distrika ny Ambanja sy ireo tomponandraiki-panjakana no miatrika izany.

Ny Vondrona Eropeanina no nanohana ara-bola ny atrik’asa tamin’ny alalan’ilay tetikasa Vonona ary ny ekipan’ny BNGRC sy ny HELVETAS no mitarika izany.