Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Atrikasa fanavaozana sy fampiofanana ireo kaomitim-paritra misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza aty amin’ny faritra Vatovavy

Omaly Alakamisy ary nitohy androany Zoma ny atrikasa fanavaozana sy fampiofanana ireo kaomitim-paritra misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza aty amin’ny faritra Vatovavy. Nosokafan’Andriamatoa Governora sy Andriamatoa Prefet an’i faritra ity atrikasa ity, ary nanatrika izany hatramin’ny farany izy ireo.

Ny PNUD moa no mpiara-miombon’antoka amin’ny BNGRC tamin’ny fanatanterahina izany atrikasa izany.
Natao izy io mba ho fanohanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Kaomitin’ny GRC taty amin’ny faritra amin’ny fanatanterahana ny asany sy ireo andraikitra voalaza ao amin’ny rafitra mifehy ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza eto Madagasikara.

Nandritra izany no nampahafantarana ireo enti-manao sy ireo fomba fiasa fanombanana ny filana haingana sy valin-kafatra isan-karazany (anisan’izany ny nomerika). Ankoatra izay ihany koa dia novatsiana fitaovana ny foibem-piasana ho an’ny fitantanana ny krizy na ny Centre opérationnel tety Vatovavy.
Mbola hitohy ao amin’ny faritra Fitovinany ihany koa izany fanavaozana sy fampiofanana izany.