Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA : FARITRA ATSIMO ANDREFANA SY ANDROY NY AMIN’NY FITANTANANA NY LOZA SY NY TANDIDONDOZA.

Manome tantsoroka ireo fari-piadidim-panjakana sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ao anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy ny BNGRC amin’ny fananganana ireo rafitra ifotony isan’ambaratongany mitantana ny loza sy ny tandindondoza eo anivon’ny Prefektora, ny Distrika, ny Kaominina ary ny Fokontany mba ho fanatsarana ny fandrindrana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza araka ny voalazan’ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1954, ho fampiharana ny Làlana laharana faha 2015-031 mifehy ny Politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza.

 Morombe, Madiorano- Toliara, Ampanihy ary Beloha no ambohi-pihaonana nanatanterahana ny atrikasa ny 03,04,06,07 Aprily 2023 ary hitohy any Betioky, Sakaraha, Tsihombe, Ambovombe. 

Nasaina manokana hanatrika ny  fampivondronona ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny avy eo anivon’ny Prefektora, ny Distrika ary ny Kaominina ahafahan’izy ireo miroso amin’ny izany  fananganana rafitra izany.  

Namafisina tamin’izany atrikasa lehibe izany ireo didy aman-dalàna momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza sy ny maha-zava-dehibe ny fisian’ireo rafitra mitantana ny loza sy ny tandindondoza avy any anivon’ny Fokontany, ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra. Notsindrina manokana ihany koa ny fifampiankinan’ireo rafitra isan’ambaratongany ireo ary ny fifandraisan’izy ireo amin’ny BNGRC mba hampahomby ny paik’ady enti-mandrindra ny fomba fiasa eo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ary indrindra ny  fanenana ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny vahoaka sy ny fananany.

Tonga nanome voninahitra ny atrikasa ireo Pirefe,  Lehiben’ny Distrika ary ireo Ben’ny tanàna ao an-toerana, ary ny Tale Jeneraly Lefitra sy ny Tale tompon’andraikitra avy eto anivon’ny BNGRC.

Marihina fa mbola hisitraka ity tetikasa ity ihany koa ny Faritra Anosy.

.

.

.

#MID

#BNGRC

#Projet_MIONJO