Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA HO FIOMANANA NY FAHAFAHA-MIATRIKA NY LOZA SY NY TANDINDODOZA ANTANAN-DEHIBE HO AN’ ANTANANARIVO RENIVOHITRA.

Nandray anjara feno tamin’ny atrikasa izay notanterahina tany Antsirabe, izay natao nandritran’ny telo andro ny herinandron’ny 27 Martsa 2023 ny BNGRC. Tafiditra ao anatin’ny fiomanana ny fahafaha-miatriky ny fiarahamonina, indrindra ny antanàn-dehibe ny tetikasa RUP (Regional Urban Prepardness), izay iarahana amin’ny PAM(Programme Alimentaire Mondial) vatsian’ny vondrona Europeanina.

Nivoitra nandritra ny atrikasa ny drafitry ny fenitry ny fomba fiasa, anisan’izany ny fandrindrana ny fiomanana sy ny rafitra fahamoram-pahavoazana antanàn-dehibe. Ankoatran’ny fanombanana ny zava-misy sy ny fanalefahana ny fiantraikan’ny fahavoazana eo anivon’ny fiaraha-monina mandritra ny fandalovan’ny loza. Namolavola drafitra ahafahana mamaly ny tranga mateti-piseho eto antanàn-dehibe ihany koa ireo vondrona teknika nidinika nandritra io atrikasa io.

 

 

#MID

#BNGRC

#CUA