Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Atrikasa mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina hiomanana amin’ny rivodoza sy ranobe.

Manatanterakana atrikasa mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina hiomanana amin’ny rivodoza sy ny ranobe eto amin’ny Faritra Analanjirofo ny BNGRC.
 
Marihina etoana moa fa anisany voasokajy ho Faritra marefo manoloana ny rivodoza sy ny ranobe ny Faritra Analanjirofo. Nanomboka ny 21 Desambra 2021 ao amin’ny Hotel Saya Fenoarivo Atsinanana izany atrik’asa izany ary haharitra telo (03) andro.
 
Mandray anjara feno ao anatin’ny izany ireo tompon’andraikitra rehetra eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, ireo Ben’ny tanana, ary ireo fikambanana mpiantsehatra amin’ny tandindondoza sy ny loza eto anivon’ny faritra. Mahatratra eo amin’ny telom-polo (30) eo ho eo ny mpandray anjara amin’izany.
 
Ny UNICEF no mpiara-miombon’antoka mamatsy ara-bola sy ara-pitaovana ny atrikasa. Teo ihany koa ny vovonana nationaly misahana ny serasera ho an’ny fiovana sy ny serasera ho amin’ny fitantanana ny tandindondoza sy ny loza izay tarihin’ny BNGRC izay nandrindra sy nandamina ny fotoana rehetra.
 
Telo ny tanjona napetraka hotratrarina mandritra ny atrikasa dia ny famolavolana drafitr’asa hanatsarana ny paikadin-tserasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina ho fiatrehana ny rivodoza sy ny ranobe aty amin’ny Faritra Analanjirofo manontolo, ny fanamafisana ny fandrindrana ireo asan-tserasera sy fampandraisana anjaran’ny fiaraha-monina rehetra misy ety an-toerana mba hametrahana fandaminana ho fanatsarana ny SRCA Analanjirofo ary ny famitana sy ny fandaniana ny drafitr’asa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra ary ireo mpiantsehatra eny ifotony mahakasika ny serasera sy ny fandraisana anjaran’ny fiaraha-monina.