Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA : NY FAHAFAHAN’IREO FOTODRAFITRASA MAHAKASIKA NY LALANA HIATRIKA NY FIANTRAIKAN’IREO KARAZANA VOINA SY NY FIOVAN’NY TOETRANDRO.

Nandray anjara feno tamin’ny atrikasa ara-teknika ho famolavolana ny drafitra nasionaly miompana amin’ny fanohizana ny asa aman-draharaha mandritra ny loza na ny hamehana eo sehatrin’ny lalana eto Madagasikara ny BNGRC, izay tanterahina ao Antsirabe mandritra ny roa andro dia ny 27 sy ny 28 Martsa 2023.

Ny tanjona amin’izany dia ny fanangonana ireo antotan-kevitra ahafahana manamboatra ny drafitra sy fijerena sahady ireo asa tokony hatao ho laharam-pahamehana mahakasika ny sehatrin’ny lalana sy fitanterana rehefa misy ny loza.

Notontosaina niaraka tamin’ny tetikasa PACT (Projet d’Appui à la Connectivité du Transport), izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena izany atrikasa izany ary iarahan’i CPGU sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny BNGRC, MTP, MTT, MPPSPF.



#MID
#BNRC
#CPGU
#PACT