Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

ATRIKASA “REVUE INTRA-ACTION” IARAHAN’NY BNGRC AMIN’NY MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA.

Notontosaina ny faha 21 Martsa 2023 hatramin’ny 25 Martsa 2023 ao amin’ny Hotely ‘’ Le Port Fort Dauphin ‘’ ny atrikasa ‘’Revue Intra-Action’’ izay karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny OMS , anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ izany ny avy eto anivon’ny BNGRC izay solon’ireo Chef d’Antenne ao Androy sy ny Point Focal ao Fort Dauphin tena. 

Isany nandraisan’izy ireo anjara fitenenana tamin’izany ny mahakasika ny ‘’Aperçu sur la crise humanitaire dans le grand sud’’ (sècheresse et insécurité alimentaire ) izay nizarana sy nampahalàlana ireo mpizaika ireo antontanisa sy ny zavamisy ankehitriny vokatry ny ERM izay notanterahina ny 27 Febroary hatramin’ny 09 Martsa 2023 ,vokatra izay nivoaka avy ao amin’ny Cluster SAMS.

Marihina fa anisan’ireo mpandray anjara ireo delegasiona  maro avy ao Afrika Atsimo izay tena matihinina avokoa.

 

#MID 

#BNGRC 

#Ministeran’nyFahasalamana

#OMS