Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC ANDROY 29 MARTSA 2023 : FAHATONGAVAN’IREO FANAMPIANA AVY AMIN’NY MPIARAMIOMBON’ANTOKA MEDAIR SY UNICEF HO AN ‘IREO TRADOZA VOKATRY NY RIVODOZA FREDDY.

Tonga tao BEABO AMBOVOMBE ny ampahany amin’ireo Fitaovana – Fanampiana avy amin’ny mpiaramiombon’antoka MEDAIR sy UNICEF izay  ahitana Gobelets sy Sû’eau ary  DLM izay  hoentina hanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ao anatin’ny Faritra Androy sy Anosy.  Raha andrasana amin’ity herinandro ity kosa ny fahatongavan’ireo sisa ambiny izay tiana ny manamarika fa ho zaraina hoan’ireotraboina miisa 1 734 tokantrano ao amin’ny Distrikan’ny Beloha ; Bekily ; Betroka araka ny tatitra voaray sy efa voamarina .

Arak’izany dia noraisina ihany koa ny « La Clé » ny ‘’Banque Alimentaire’’ eny amin’ny CRNM Beabo izay natolotrin’ny orinasa amin ‘ ny BNGRC tao aorian’ny toromarika nomen’ny Sekretera mpanantanterakin’ny CPGU dia ny hampiasan’ny BNGRC ity efitrano fitehirizana entana ity mandritra ny fotoana tsy voafetra izay marihina fa tena lehibe tokoa ka tsy hisy intsony ny sakana ny amin’ny fandefasana ireo fanampiana tokony hoan’ny Grand sud manombok’izao.

.

.

#MID

#BNGRC 

#Medair 

#UNICEF