Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC-CARAVANE HUMANITAIRE : KAOMININA 30 NO NISITRAKA NY FANAMPIANA HO AN’NY DISTRIKAN’I SAKARAHA SY TOLIARY II.

Fianakaviana  2 700 na olona manodidina ny 13 500, no nisitraka ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC tato anatin’ilay hetsika caravane humanitaire raha ho an’ny Distrikan’i Sakaraha sy Toliary faha2 tao anatin’ny 15 andro. Fianakaviana 1 400 amin’io no tao anatin’ny Distrikan’i Sakaraha raha fianakaviana 1 300 ny tao anatin ‘ny Distrikan’i Toliara faha2, ka kaominina 30 no nolalovana, ny 9 tao Sakaraha, ny 21 kosa tao Toliara faha2 . Na dia sarotra aza ny lalana noho ireo kaominina ireo mbola misy sisasisan’ny rano ny vitsivitsy, eo ihany koa ny mbola haratsin’ny lalana dia tonga soa amantsara teo ampelatanan’ny vahoaka ny fanampiana izay voatokana ho azy ireo.

Vary 27 taonina no notsinjaraina ho amin’ireo kaominina 30 ireo, miampy voamaina 8 400 kg ary menaka 2 700 litatra, izay saika natrehin’ny Ben’ny Tanàna isanisany tamin’ireo  kaominina 30 ireo ny fizarana rehetra, ary niara-dia tamin’ny  caravane humanitaire hatrany ihany koa ny lehiben’ny Distrikan’i Toliara faha 2 tamin’ireo kaominina 21 ireo,  izy no nanamora ny fahafaha-miditra tany amin’ireo kaominina ireo no nanamora ihany koa ny lamina napetraka tamin’ny fitsinjarana, ka misy aza indraindray ireo kaominina efa maizina vao tafiditra ao aminy ny caravane saingy nizotra araky ny tokony ho izy ary am-pilaminana hatrany ny fizarana .

Izao caravane humanitaire izao no tontosa dia  noho ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindoza na ny BNGRC tamin’ny sampandraharaha ny Asa Sosialy sy ny politika eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy ny SPM ary ny PAM sy ny Jovena. Fifanomezan-tanana teo amin’ny Faritra Atsimo Andrefana,ny prefektiora ary ny tafika  sy ny zandarimariam-pirenena kosa ny nananana ny fampitaovana nahavitana izany.

.

.

#PrésidencedelaRépublique

#MID

#BNGRC

#DASP

#PAM