Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC-CARAVANE HUMANITAIRE : KAOMININA 5 NO NAHATOVAN’NY FANAMPIANA HO AN’NY DISTRIKAN’I TOLIARA II.

Taorian’ny Distrikan’i Sakaraha dia  ny Distrikan’i Toliara II indray no nisitraka ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ato anatin’ny hetsika Caravane humanitaire. Ity distrika ity izay mbola saro-dalana ary mbola maro amin’ireo tanimbary no dibodrano, izay tsy nanakana ny ekipan’ny BNGRC tsy ho tonga any an-toerana anefa io fahasarotana io ka ho fanalana ny fahasahiranan’ny mponina dia Kaomina 4 no indray  nanaterana fanampiana  isan’izany ny kaomina Ambohimahavelona izay nahitana fianakaviana 70 traboina ka notolorana  vary 14 lasaka amin’ny 50 kg sy Voamaina 05 lasaka ary  menaka 70 litatra.

Faharoa ny kaomini’ny Mamorofify izay  mbola tsy tongan’ ny fiara ny any an-toerana ka ny Ben’ny Tanàna no naka ny fanampiana teo Ambohimahavelona izay tsy maintsy alefa lakana vao tonga any .Vary 6 lasaka amin’ny  50kg no anjaran’ity kaominina ity miampy voamaina 2 lasaka amin’ny 50kg ary menaka 30 litatra ,izany hoe anjarana fianakavina traboina miisa 30.

Kaominina faha 3 ny kaominin’ny Antanimena izay nomena vary 14 lasaka amin’ny 50kg ireo fianakaviana 70 izay traboina, miampy voamaina 05 lasaka  sy menaka 70 litatra .

Ny faha 4 dia ny kaominina  Ambolofotsy izay nahazo vary 14 lasaka  amin’ny 50kg ihany koa miampy voamaina 5 lasaka amin’ny 50kg ary menaka 70 litatra.

Nikisaka nihazo ny kaominina Andranovory manamorona ny lalam-pirenena faha 7 ny Caravane humanitaire izay nanomezana fanampiana ireo tokantrano 70 izay mbola sahirana noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy  hatramin’izao, izay nisitraka vary 14 lasaka amin’ny 50 kg ihany koa,voamaina 5 lasaka amin’ny 50kg ary menaka 70 litatra. 

Marihina  fa  kaominina efa nisitraka fanampiana hafa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ireo kaominina ireo ka izay mbola tsy nahazo tamin’izany no notsongain’ny BNGRC manokana  nomena fanampiana mba tsy hampisy ny tombo sy ala .

Niaradia tamin’ny ekipan’ny BNGRC tamin’ny fanaterana ireo fanampiana rehetra ireo hatrany moa ny lehiben’ny Distrikan’i Toliara faha2 Ramatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa izay nanamora ny fahafahana niditra tamin’ireo kaominina 5 ireo sy nanampy tamin’ny fandaminana ihany koa ka nanafaingana ny fitsinjarana.

.

.

#PrésidencedelaRépublique

#MID

#BNGRC

#DASP

#PAM