Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – CARAVANE HUMANITAIRE :MITOHY NY FANARENAN’NY FITONDRAM-PANJAKANA NY FIAINAN’IREO VOAKASIK’ILAY RIVODOZA FREDDY.

Taorian’ny kaominin’ny Ejeda dia ny kaominin’ny Belafike sy Gogogogo ao anatin’ny Distrikan’Ampanihy indray no nandalovan’ireo ekipan’ny BNGRC ao anatin’ilay hetsika “Caravane Humanitaire” hatrany , hetsika izay ataon’ny fitondram-panjakana aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana. 

Mazava ho azy fa efa nahazo ny anjara fanampiany ireo kaominina 2 ireo ary tsy ho ela dia hisitraka izany koa ny ao Fotadrevo sy Beroy ary Beahitse.  Manaraka hatrany ireto fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ireto ny Prefet an’ny Toliara SOLONDRAZA Arson Theodolin Lydore Adoré amin’ny maha filohan’ny CPGRC azy aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Tiana ihany koa ny manamarika fa manamafy sy manamora ny fanomezana izao fanaterana  fanampiana izao ny fanomezana fiara ts mataho-dalana  (4×4) iray avy amin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy ,Andriamatoa Marco TSARADIA izay hisaorana lehibe azy.

.

.

#PrésidencedelaRépubliquedeMadagascar 

#MID 

#BNGRC

#DASP

#PAM