Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – CARAVANE HUMANITAIRE : NATOMBOKA TAO AMIN’NY KAOMININA ANTOHABATO NY FIZARANA HO AN’NY BETIOKY ATSIMO.

Na dia sarotra sy manahirana aza ny lalana mihazo ny Kaominina Antohabato ao anatin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, dia tsy nahasakana ny ekipan’ny BNGRC tsy hanatitra ny fanampiana ho azy ireo izany noho ireto mponina ireto izay tratran’ny ranobe ihany koa tamin’ny fandalovan’ny rivodoza FREDDY farany teo.
Fianakaviana 35 isa izay ahitana olona miisa 185 eo ho eo no nisitraka izany tany an-toerana.
Ankoatran’ireo iraka avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC izay tonga tany an-toerana ireo moa dia niara-nifanome tanana tamin’ny fizarana ny fanampiana ny Ben’ny Tanànan’Antohabato sy ny Solotenan’ny Ministeran’ny mponina ao amin’ny Distrikan’i Betioky.
Marihina fa nalefa sarety no natongavan’ireto fanampiana ireto taty an-toerana.
.
.
#MID
#BNGRC