Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC-CARAVANE HUMANITAIRE : NOJERENA MANOKANA IREO KAOMININA MANAMORONA NY LALAM-PIRENENA FAHA 9 AO ANATIN’NY DISTRIKAN’I TOLIARA II.

Belalanda, Manombo, Ankilimalinika, Marofoty, Soahazo ary Analamisampy izay samy lasibatry ny ranobe nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza FREDDY no nahazo ny anjara fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tsikaritra ny mbola tsy fihenan’ny rano any amin’ireo kaominina sasantsasany raha tsy hilaza hafa tsy Manombo isika.

Mahatratra hatrany amin’ny 6 taonina mahery any  ireo fanampiana  natokana ho azy ireo ka samy nanana Vary 14 lasaka amin’ny 50kg ,voamaina 5 lasaka amin’ny 50kg ,ary menaka 70 litatra avy; ireo kaominina isanisany ary fianakaviana hatrany amin’ny 420 na olona maherin’ny 2 000 eo  no nisitraka izany fanampiana izany.

Na dia teo aza ny fahamaizanan’ny andro dia tsy nahasakana ny ekipan’ny BNGRC  tsy nanohy ny lalan’ny caravane izany,ireo kaominina kosa dia samy niandry ny fahatongavana izay notarihin’ny Ben’ny Tanànany avy,  isan’izany ny tao Soahazo sy Analamisampy ary marihina fa  niaradia tamin’ny caravane humanitaire hatrany ny Lehiben’ny Distrikan’i Toliara faha2 Ramatoa BOTOTSAKO Vonjy Manantenasoa.

.

.

#PrésidencedelaRépublique

#MID

#BNGRC

#DASP

#PAM