Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC -CARAVANE HUMANITAIRE : NY DISTRIKAN’I SAKARAHA NO NANOMBOHANA NY FIZARANA IREO FANAMPIANA.

Niainga ny Alahady 25 Martsa 2023,tao Toliara ireo fanampiana milanja 165 taonina sy 500 kg,avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC niarahany niasa akaiky tamin’ny  Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny DASP sy ny SPM ary ny PAM ka nihazo ireo distrika 9 nahitana fahasimbana sy fahavoazana nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza FREDDY tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ao anatin’ilay hetsika caravane humanitaire .

 14 taonina no anjaran’i Sakaraha  ka ity distrika ity no nisantarana ny fizarana izay samy nahazo anjara vary 10kg sy voamaina 3kg, ary Menaka 1 litatra avy ny isan-tokantrano .

Fantatra moa fa kaominina 9 amin’ny 12 tao anatin’ity distrika ity dia nahitana traboina avokoa noho ny rotsak’orana be loatra. Ny commune ambonivotr’i Sakaraha moa no nanombohana izany.

Mbola andalana kosa ny fanampiana ho an’i Betioky, Ampanihy,Morombe,Betroka izay samy niara niala tao Toliary tamin’ity fanampiana ity saingy ny lalana no mbola lavitra . Fantatra nefa fa vantany vao tonga  any antoerana dia handeha avy hatrany ny fizarana noho ny fahafantarana fa tena ilain’ny mponina ireo fanomezana ireo

 

#MID

#BNGRC