
Mbola saro-dalana hatreto ny makany amin’ny Kaominina Antongo ao anatin’ny Distrikan’i Morombe ,na izany na tsy izany dia manana anjara fanampiana efa voafaritra ireo traboina any an-toerana amin’izao caravane humanitaire izao ka na dia tsy tongan’ny fiara ahafahana manatitra ireto fanampiana ireto aza ny lalana dia nisafidy nandefa izany fanampiana izany tamin’ny alalan’ny sarety ny ekipan’ny BNGRC ka Tonga soa aman-tsara any an-toerana ny vary 200 lasaka amin’ny 50kg na 10 taonina miampy voamaina 3 taonina (60 lasaka) ary menaka 1 000 litatra .
Marihina fa tokantrano 1 000 na olona manodidina ny 5 000 no nisitraka ireto fanampiana ireto tao amin’ny Distrikan’ny Morombe.
.
.
#PrésidencedelaRépublique
#MID
#BNGRC
#DASP
#PAM