Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – CARAVANE HUMANITAIRE : TSY HADINON’NY FANJAKANA NY KAOMININ’NY AMBAHIKILY AO ANATIN’NY DISTRIKAN’I MOROMBE.

Ny kaominina Ambahikily ao anatin’ny Distrikan’i Morombe no kaominina be traboina indrindra noho ny fiakaran’ny rano be loatra nandritra ny 5 andro monja  nandritra iny fandalovan’ny rivodoza Freddy iny.  Tafiakatra 15 000 ireo traboina tany an-toerana izany hoe saika traboina avokoa ny mponina iray manontolo. 

Efa manomboka miverina amin’ny laoniny nefa ny fiainana ho an’ireo manankatao sy misy fidiram-bola fa ny tsy ampy fidiram-bola kosa dia mbola sahirana. Noho izay antony izay no nanaovan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC laharam-pahamehana ity kaominina ity koa fianakaviana 3 536  no notolorana fanampiana vary 707 lasaka amin’ny 50 kg na 35 taonina sasany no natokana ho an’ity kaominina ity avokoa raha 212 lasaka na 10,6 taonina ny voamaina niampy menaka  3 536 litatra.

Tsy misy navahana fa samy nomena vary 10kg ,voamaina 3kg ary menaka 1 litatra isan-tokantrano mo izy ireo. 

Tsara ny manamarika fa nandeha araky ny lamina napetraka ny fizarana teto eny fa na dia maro aza ireo olona  nisitraka ny fanampiana.

.

.

#PrésidencedelaRépublique 

#MID

#BNGRC 

#DASP

#PAM