Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – GROUPE TASK FORCE PRO-RAJOELINA DIASPORA FRANCE : FANOMEZANA “SOROKA MIARA-MILANJA” HO AN’IREO TRADOZA VOKATRY NY FANDALOVAN’ILAY RIVODOZA FREDDY.

Noraisin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja tety amin’ny Biraony androany Asabotsy 25 Martsa 2023 ireo solontenan’ny TASK FORCE PRO-RAJOELINA TGV FRANCE , tonga nanolotra fanomezana “SOROKA MIARA-MILANJA ” ho an’ireo mpiray tanindrazana tradoza vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ,tonga nanolotra ireo taratasy fanamarinana ny nandrotsahan’izy ireo ny lelavola mitentina 1.560Euros any amin’ny “compte bancaire ” an’ny BNGRC izy ireo ary notoloran’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny taratasy fanamarinana ny nandraisan’ny BNGRC izany ihany koa. 

Nifanaiky ny roa tonta tao anatin’ny dinidinika sy fifanakalozana rehetra fa hoentina hanampiana manokana ny vahoakan’ny Nosy Varika ity fanampiana ity ary manome toky ny Tale Jeneralin’ny BNGRC fa hanome ny tatitra rehetra mahakasika izany amin’ireo tsara sitrapo dia ny TASK FORCE PRO-RAJOELINA TGV FRANCE ary nankasitraka izao fihetsika maha te hidera izao.

 

#MID

#BNGRC 

#TASK_FORCE_PRO_RAJOELINA_TGV FRANCE