Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC miatrika ny ady amin’ny kere aty atsimon’ny nosy

Ho tohin’ny asa fitantanana ny ady atao amin’ny KERE aty Atsimon’ny Madagasikara dia nanatanteraka fizarana fanampiana ho an’ireo tokantrano miisa 70 837 aty amin’ny tapany Atsimo ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny BNGRC.
  • Vary efatra amby valopolo ambin’ny zato (184T) taonina sy menaka valopolo sy enina arivo litatra (6 080L) no nozaraina tamin’izany ho an’ireo Faritra telo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampian-tsakafo.
  • Toy izao ary ny fitsinjarana izany fanampiana izany.
  • Ho an’ny Faritra Androy dia Distrika efatra no nisitraka izany, dia ny Distrikan’ny Bekily, Beloha, Tsihombe ary Ambovombe Androy. Tokantrano mitotaly 32 247 ao anatin’ny Kaominina roapolo (20) izany no voakasik’izany fitsinjarana fanampiana izany raha ho an’ny Faritra Androy manokana.
  • Ho an’ny Faritra Anosy indray, dia tokantrano miisa 15 230 no voatsinjo tao anatin’ny Kaominina enina (06) tao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo,Distrikan’ny Betroka ary ny Distrikan’ny Taolagnaro.
  • Raha ny mahakasika ny Faritra Atsimo Andrefana kosa dia ny Distrikan’ny Betioky Atsimo sy ny Distrikan’Ampanihy Andrefana no nanatanterahana izany fizarana fanampiana izany ka nahitana Kaominina 11 sy tokantrano miisa 23 360.