Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – MPPSPF : ATRIKASA FANKATOAVANA FARANY AN’IREO BOKY TOROLALANA ROA HO AN’NY HAINTANY SY RIVODOZA ARY TONDRA-DRANO |19 APRILY 2023| CARLTON ANOSY.

Notanterahina androany teny amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa fanomezana hevitra farany avy amin’ireo mpiantsehatra amin’ny fiahiana ara-tsosialy ho fanatsarana ireo boky  torolalana miisa roa  mirakitra ny fandaharan’asan’ny fiahiana ara-tsosialy izay niarahan’ireo mpiantsehatra rehetra ny fanatsara izany.

Napetraka ireo boky torolalana roa ireo mba ahafahana mandrindra ny fanatanterahana ny asa amin’ny fiahiana ara-tsosialy eny ifotony sy manatsara ny fametrahana izay fandrindrana ataon’ny Ministeran’ny Mponina sy Fiahiana ara-tsosialy ary ny BNGRC ao anatin’ny fanatanterahana ny asa ao aorian’ny fitrangan’ny loza anankiray dia fiahiana ara-tsosialin’ny mponina.

Betsaka ireo mpiantsehatra eny ifotony amin’ny fiahiana ara-tsosialy , natao ity boky torolalana ity  dia ny mba ahafantaran’ireo mpiantsehatra tsirairay ireo ny anjara asan’izy ireo sy ireo fanatsarana itovizana amin’ny fanatanterahina ny asa sy mba hitovizan’ny fomba fiasa ihany koa.

Aorian’izao fankatoavana izao dia ho zaraina amin’ireo mpiantsehatra rehetra ity boky ity mba hampiasaina sy hampiharina .

Marihina fa ny BNGRC sy ny MPPSPF no miara-miasa akaiky ny amin’ny fandrindrana rehetra ny amin’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina ao aorian’ny fandalovan’ny loza iray na eo amin’ny haintany na rivodoza sy tondra-drano.

Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny atrikasa ny Tale Jeneralin’ny BNGRC , ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny mponina sy ny solontena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka PAM sy ACF. 

.

.

#MID

#BNGRC

#Ministeran’nyMponinasyFiahianaara-tsosialy

#PAM

#ACF