Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC – SADC : NANATANTERAKA FITSIDHINA NY BNGRC NY SEKRETERA MPANATANTERAKY NY SADC IZAY MANDALO ETO AN-TANINDRAZANA.

Noraisin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny , Andriamatoa ANDRIATSIMANDAO Tahirimiakadaza tety amin’ny Birao foiben’ ny BNGRC Antanimora ireo delegasiona maro avy amin’ny SADC tarihin’ny Sekretera Mpanatanterakany, Andriamatoa Elias Mpedi Magosi izay manatanteraka fitsidihina eto an-tanindrazana.

Niompana tamin’ny fizarana traikefa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindoza sy ny fomba nitantanan’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny BNGRC ilay riovodoza Freddy izay namely mafy taty amin’ny firenena telo taty Afrika ary ny fitsidihina ny ‘’Centre National de Coordination des Opérations d’Urgences ‘’ ny fihaonana tamin’ireto delegasiona mafonja avy amin’ny SADC ireto . 

Nanambara andriamatoa Elias Mpedi Magosi  ,Sekretera Mpanatanteraky ny SADC  nandritran’ny fandraisany fitenenana fa rehefa avy nanao fitsidhina ara-pomba fanajana teny amin’ny Ministeran’ny Raharahambahiny no nahalalany ny fisian’ny ’’Centre National de Coordination des Opérations d’Urgences ‘’ izay nahaliana azy ireo ny hitsidika sy ahafantatra misimisy kokoa ny fomba nitantananan’ny madagasikara ny rivodoza Freddy izay hita fa ambany kokoa ny taha-pahavoazana izany hoe niomana kokoa ny BNGRC tamin’ny fiatrehina raha mihoatra ireo Firenena roa hafa  nandalovan’ny Freddy dia Mozambique sy Malawi. Nahatsapa ireto delegasiona ireto , fa ity ‘’Centre National de Coordination des Opérations d’Urgences ‘’ eto anivon’ny BNGRC ity dia tokony ho atao filamatra ary alain-tahaka any amin’ireo firenena hafa satria mbola maro ny firenena no tsy manana izany .

 

#MID 

#BNGRC 

#MAE

#SADC