Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

BNGRC TOAMASINA : FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY MOMBAN’NY TOETR’ANDRO.

Nankalazaina ny 23 Martsa 2023 teo ny andro maneran-tany momba ny toetr’andro, anisany nankalaza izany ny Lehiben’ny Sampan-draharaha momba ny toetrandro tao Atsinanana tamin’ny alalan’ny atrikasa izay notontosaina tao amin’ny Biraom-paritry ny BNGRC TOAMASINA.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny lefitry ny lehiben’ny Distrikan’ny Toamasina I ary notronin’ireo Solotenan’ny Ben’ny Tanana Kaominina Ambonivohitra Toamasina ,ny Chef d’Antenne BNGRC Toamasina  sy ireo Tale isan-tsokajiny avy ary ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana.

Nifantoka momban’ny famantarana ny toetr’andro sy ny fivoarany hatramin’ny fahatongavany amin’ny rivodoza ny lahadinika ary niafara tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tany amin’ny Faritra Atsinanana teo.Izay nandraisan’ny teto anivon’ny BNGRC anjara mavitrika tamin’ny alalan’ny fampahafantarana momba ireo loko famantarana amin’ny alalan’ny ‘’Spot de sensibilisation’’ , fampahafantarana ireo voambolana momba ny Loza sy ny tandindondoza , izay narahina fanontaniana valiny, ary nazavaina tao ihany koa ny fomba fiasan’ny BNGRC izay efa niomana mialoha tamin’ny fanampiana ireo mety ho traboina, ary miezaka mampihena ny vokadratsy izay ateraky ny Loza.

Tsapa tao aorian’ny fisokafan’ny Biraon’ny BNGRC ao Toamasina fa miha liana ny tompon’andraikitra any an-teorana ary mandray anjara mavitrika amin’ny fanenana ny loza sy ny tandindondoza sy ny manodidina izany , indrindra tao aorian’ny tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo izay novinavinaina hiditra tany amin’ny Faritra Atsinanana dia efa niomana tanteraka ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.


#MID

#BNGRC 

#DGM