Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

CARAVANE-HUMANITAIRE 0LONA 3000 AVY AMIN’NY KAOMININA 3 NAHAZO NY ANJARA FANAMPIANY AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA.

Fianakaviana marefo 200 isany avy amin’ny Kaominina 3 Antaretra,Androrangavola,ary Marotoko ato anatin’ny Distrikan’Ifanadiana Faritra Vatovavy no nahazo ny anjara fanampiany avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC izany hoe olona manodidina ny 3000 eo ho eo.

Olona mbola sahirana noho ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy izy ireto  ary nosokajiana ho marefo noho ny mbola tsy fisian’ny eo ampelatanana satria tsy nahomby ny fambolena izay foto-pivelomana noho ny fahasimban’ny nappe phreatique.

Fanampiana afahan’izy ireo miarina hahafahana miatrika ny asa andavanandro no natolotra ka samy nahazo vary 2Taonina sasany ,miampy menaka 200 litatra ary voamaina 600kg ny kaominina tsirairay izany hoe samy hanana vary 12,5kg sy menaka 1 litatra ary voamaina 3kg ny isan-tokantrano.

Izay nandray fitenena rehetra dia samy nankasitraka izao fitsinjovana ny maha olona ataon’ny fitondram-panjakana manomboka any amin’ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA sy ny BNGRC izay angady nananana sy vy nahitana an’izao  fanampiana ara-tsakafo izao izay tena tonga any anatin’ny aty vilanin’ny isan-tokantrano .Fanirian’ny mponina kosa ny hitondrana fanampiana eo amin’ny tontolon’ny fambolena toa ny masomboly sy ny zezika  izay foto-piveloman’ny 85 % ny mponina .

Mandrapahatonga izay dia feno fankasitrahana ireo mpisitraka satria dia nozaraina ampahibemaso tamin’izy ireo ny fanampiana nantrehin’ny lehiben’ny distrikan’Ifanadiana ny ben’ny Tanàna isanisany amin’ireo kaominina mpahazo tombotsoa ireo ary ny solotenan’ny solombavam-bahoaka aty amin’ny Distrika.

 

 

#MID 

#BNGRC