Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

CARAVANE-HUMANITAIRE NISITRAKA NY FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA IHANY KOA NY KAOMININA AMBALAVATO SUD SY IHOROMBE.

CARAVANE – HUMANITAIRE NISITRAKA NY FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA IHANY KOA NY KAOMININA AMBALAVATO SUD SY IHOROMBE ATO ANATIN’NY DISTRIKAN’I FARAFANGANA.

 

Olan’ny Kaominina Ihorombe sy Ambalavato Sud hatreto ny lalana ,75 km monja miala an’i Farafangana i Ihorombe,raha 93 km miala an’i Farafangana kosa i Ambalavato sud nefa dia ora maromaro vao mahafaka ireo lalana ireo.Io antony io izay tsy afahana miantehitra amin’ny famoaham-bokatra miampy ny takaitra navelan’ireo rivodoza nifanesy dia mandrangaranga aty antoerana ihany koa ny mosary satria tsy nahomby ihany koa ny fambolena nianteherana hany ka ra mahita arapaka dia sakafo ambany foitra.

Mivaha amin’ny ampahany nefa izany olana izany ankehitriny satria dia efa tonga taty antoerana ny  fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC nitondra ireo anjara fanampiana ho an’ireo Kaominina 2 ireo ka samy fianakaviana 200 isaky ny kaominina no nisitraka izany izay samy nahazo 3300 kg avokoa na 3,3 tonnes izay nahitana vary menaka ary voamaina,ka nahazo vary 12,5 kg  menaka 1 litatra ary voamaina 3 kg noanjaran’ny isan-tokantrano. 

Marihina fa mbola tafiditra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny BNGRC sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany  avokoa ireto fanampiana ireto.Fanampiana nozaraina  tao anatin’ny mangarahara tanteraka natrehin’ireo ben’ny Tanàna toa ny mahazatra sy ireo solotena avy amin’ny solombavambahoakan’i Farafangana RAHERIARIJAONA Regina Clarisse.

.

.

#MID

#BNGRC

#FIANGONAN’NY JESOA KRISTY HO AN’NY OLOMASIN’NY ANDRO FARANY