Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

CARAVANE-HUMANITAIRE NY DISTRIKAN’IFANADIANA FARITRA VATOVAVY INDRAY NO NISITRAKA FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA AMIN’NY ALALAN’NY BNGRC.

Taorian’ny Distrikan’i Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo Faritra Atsimo Atsinanana, ny Distrikan’Ifanadiana indray no misitraka ny fanarenana ara-tsakafo ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC.Kaominina 8 amin’ny 15 ao amin’ity distrika ity no ezahina hampiana ka fanampiana 29 taonina mahery no tsy maintsy hotsinjaraina amin’ireo fianakaviana 1775 marefo noho ny fahasahiranana navelan’ireo rivodoza nifanesy nanomboka ny taona 2022 tamin’ilay rivodoza BATSIRAI sy EMNATI, nanampy trotraka ihany koa  i Cheneso sy Freddy ka hatreto na  dia miezaka miarina aza ny mponina dia mbola tsy afaka noho ny fambolena tsy nahavokatra,ny asa hatao  tsy misy izay miteraka ny tsy fisian’ny eo ampelatanana. 

Raha niainga ny Asabotsy 08 jolay niala tao Antananarivo ireo kamiao 2 lehibe nitondra ny fanampiana dia ny Alahady ihany dia efa  kaominina 2 no nahazo ny anjarany dia ny kaominina Ranomafana sy ny Kaominina Ifanadiana Renivohitra . Ka fianakaviana 650 no efa nahazo ny anjarany sahady ka vary 2500 kilao na 2 Taonina sy sasany miampy voamaina 600kg ary menaka 200 litatra ho an’ny Kaominina Ranomafana raha vary 5 taonina sy sasany mahery ho an’ny kaominina Ifanadiana miampy voamaina 1350 kilao ary menaka 450 litatra.

Niarahan’ny lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanànan’ireo kaomina isany, solotenan’ny solombavambahoaka aty an-toerana ary ny ekipan’ny BNGRC  avokoa ny fizarana rehetra mba ho ara-drariny ka samy nahazo ny anjarany avokoa ireo marefo izay efa notsirihan’ireo tompon’andraikitra taty an-toerana mialoha.

 

#MID 

#BNGRC