Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

CARAVANE HUMANITAIRE VONDROZO : EFA MANOMBOKA NY FIZARANA NY FANAMPIANA ARA-TSAKAFO.

CARAVANE HUMANITAIRE VONDROZO : EFA MANOMBOKA NY FIZARANA NY FANAMPIANA ARA-TSAKAFO ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA IZAY FANOMEZANA NOMEN’NY FIANGONAN’I JESOA KRISTY HO AN’NY OLOMASIN’NY  ANDRO FARANY IZAY TANTERAHIN’NY BNGRC HO AN’IREO MPONINA TRATRY NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO AMIN’ NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA KA KAOMININA 8 AO AMIN’NY DISTRIKAN’I VONDROZO INDRAY NO MISITRAKA IZANY.

 

Noho ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy dia simba ny seha-piarian’ny mponina ka sahirana izy ireo noho ny  tsy fisian’ny eo ampelatanana, tsy fahafahana mividy masomboly,  tsy fahitana asa azaohana fidirambola, ireo antony ireo no nahatonga ny mosary aty an-toerana, vokany tsy ampy ny fidirambolan’ny tokantrano tsirairay ary rehefa tsy misy vola dia lasa mihinana izay zavatra hitany ireo mponina.  Ny Filoham-pirenena dia nanome baiko fa tsinjovina manokana ny sosialim-bahoaka ka nidina avy hatrany ny fitondram-panjakana  amin’ny alalan’ny BNGRC nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan’ny mponina. Natomboka tao amin’ny kaominina Andoharano ny fizarana. 

Ka tonga teny ifotony mihitsy ny lefitry ny Distrikan’i Vondrozo, ny Ben’ny tananan’i Andoharano, ny lehiben’ny fokontany tsirairay, ary ny solotenan’ny Bngrc , nizara ireo fanampiana ara-tsakafo izay avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny  andro farany.

Fanampiana ara-tsakafo, vary milanja  5 taonina,  vaomaina 1,200 taonina,  menaka 400 litre no nozaraina an’ny kaominina Andoharano,  fianakaviana 400 no nisitraka izany ka 12, 5kg ny vary, 3kg ny voamaina,   menaka 1litatra isam-pianakaviana.

Mbola hitohy ny fizarana ho an’ny Kaominina Ambodirano,  Mahatsinjo,  Andakana,  Mahazoarivo,  Manato,  Mahavelo,  Manambidala.

.

.

#MID

#BNGRC

#FIANGONAN’NY JESOA KRISTY HO AN’NY OLOMASIN’NY ANDRO FARANY