Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

“CLIMATE SCHOOL” ANDIANY FAHA-TELO TAO MAHAJANGA : HETSIKA HANENTANANA NY ANKIZY SY NY TANORA AMIN’NY ADY AMIN’NY FIOVAOVAN’NY TOETRY NY ANDRO.

Notanterahina ny 17 sy 18 Martsa 2023 tao amin’ny Maison de la Culture Mahajanga ny ‘’ Climate School ‘’ andiany faha-telo »

Hetsika fanaon’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Tontolo iainana sy fandrosoana Lovainjafy Faritra  Boeny-Betsiboka, ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Boeny, ny Faritra Boeny miaraka amin’ireo mpiaramiombon’antoka (PAGE 2/GIZ, Blue Ventures, CARE International, Projet WIOSAP, ADES, MNHN ANtrema, Planet Madagascar, COMPLANT Namakia, UNIMA, Hotel Restaurant Antsanitia Resorts, Eden Reforestation, Mada Consult, MNP Ankarafantsika, ONG DELC, Asity Madagascar) hetsika  natao hanentanana ny ankizy sy ny tanora mpianatra amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.

Hetsika maro no natao nandritra izany : « Carvanal vert » nataon’ny mpianatra namakivaky ny tanàna, Kabary, fanentanana isan-karazany sy  fampirantiana teo amin’ny tokontany malalaky ny tranoben’ny kolontsaina, « Conférence/débat » tao amin’ny « AKORY HALY » sy fanentanana ny tanora ary kilalao samihafa tao amin’ny Bord de la mer.

 

Nasaina handray anjara tamin’izany « Conférence – débat » izany ny teto anivon’ny BNGRC izay nisoloan’ny Point Focal BNGRC BOENY tena.

Nizara telo ny fandraisana fitenenana tamin’izany ny BNGRC dia ny  :

1. Fampahafantarana ny BNGRC amin’ny ankapobeny sy ny andraikitra sahaniny.

2. Ny ifandraisan’ny BNGRC sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny troetr’andro :  ireo ‘’ALEAS CLIMATIQUES’’ (haitany, fiakaran’ny haavon’ny rano, tondra-drano ary rivo-doza mahery vaika) izay ilaina ny fiomanana mialoha  mba ho fisorohana sy hampihenana ny mety ho voka-dratsy aterak’ireo loza ireo amin’ny olombelona sy ny fananany.

3. Fizarana ireo antontan’isa ofisialy mahakasika ireo fahasimbana teo amin’ny sehatry ny fanabeazana (sekoly  simba sy rava tanteraka ) tato amin’ny faritra Boeny nandritra ny fandalozan’ireo rivo-doza sy andro ratsy nifanesy tao anatin’ny dimy taona.

Maro ny vokatra azo mialoha sy nandritra izao “ Climate School andiany faha-telo izao” dia ny :

• fampiofanana 24 mpanabe misahana mpianatra 9 236 eo anivon’ny sekoly ( EPP, CEG, Lycée)

• fametrahana ny Sekoly Maitso sy asa tokony tanterahina amin ‘ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro 

• fampiofanana tanora miisa 40 ao anatin’ny 16 « Clubs des jeunes » mahakasika teknika fanentanana ara-tontolo iainana

•  fambolen-kazo isaky ny sekoly ka zanakazo 10 000 no tanjona napetraka hoan’ny 24 « Etablissements » ho fanantanterahana ny vina « Mpianatra iray, hazo iray ».

Nisy ihany koa ny soso-kevitra nivoaka nandritra izany dia ny mba hampihenana ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetry ny andro  dia ny  fambolen-kazo sy ny fanamboarana fotodrafitr’asa mahatohitra ny loza (Maison sur pilotis…).

#MID 

#BNGRC