Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

DIBO-DRANO ANDOHATAPENAKA, NIDINA IFOTONY NY BNGRC SY NY SAMPANA MPAMONJY VOINA NITONDRA MOTOPOMPE HITROHANA NY RANO.

Isaky ny tonga ny fotoam- pahavaratra dia dibo-drano hatrany ity toerana eto Andohatapenaka ity .Ny antony raha ny fantratra dia noho izy iva noho ny lakan-dranon’Andriatany, antony faharoa ny fahatsetsenan’ny lakan-drano sy ny lalan-drano rehetra izay manohana ny tsy hivarinan’ny rano ka raha vao misesisesy ny orana dia lasibatra ka dibo-drano tanteraka ny secteur 2,3,4,5 ary 6.

Rehefa naharay ny fitarainana avy amin’ ireo mponina ety an-toerana ny Tale Jeneralin’ny BNGRC dia naniraka ireo teknisianina ao aminy nijery ifotony ny zava-misy ny Alahady 02 Aprily 2023 ,rehefa voamarina fa tena sahirana ny mponina dia tsy niandry ela fa ny Alatsinainy 03 Aprily 2023 ihany dia noraisina ny fanapahan-kevitra hitroka ny rano amin’ny alalan’ny motopompe ka ny motopompe ny sampana mpamonjy voina no nampiasaina teny an-toerana hitrohana ny rano ao anatin’ny fotoana fohy.Efa mandeha ny asa famoahana ny rano saingy nanafatra hatrany ny BNGRC mba ho mailo ny rehetra. 

Fantatra moa fa tsy hiala ety an-toerana  ny sampana mpamonjy voina  raha tsy efa ahitana fihenana ny rano.

.

.

#MID

#BNGRC