Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FANAMAFISANA NY FANATSARANA NY FOMBA FIASA EO ANIVON’NY KOMITY MITANTANA NY LOZA SY NY TANDINDONDOZA TANY AMIN’NY FARITRA ATSINANANA : NIARA-NIASA AKAIKY TAMIN’NY BNGRC NY STARTNETWORK SY NY CRS.

Tamin’ny alalan’ny fanaovana tombana anatiny ny zavatra efa misy any an-toerana, ny lamina sy ny rafitra, ny enti-manana sy ny fampitaovana ary fombafomba fiaraha-miasan’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza any amin’ny Faritra Atsinanana no nentin’ny BNGRC sy ny CRS ary ny STARTNETWORK nanatanteraka ny atrik’asa enti-manavao sy manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpikambana ao anatin’izany komity izany. Tsy natao ambanin-javatra fa natao voalohany amin’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fanatanterahana jery todika an’ireo asa efa natao sy ny vinavinan’asan’ireo mpiantsehatra voalaza etsy ambony ireo no fototra niangana nanaovana ilay fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana an’ilay komity mpitantana ny loza sy ny tandindondoza any amin’ny Faritra Atsinanana ireo.

Ankoatran’izay dia nanararaotra an’izany vanim-potoana izany ihany koa ny mpikarakara ny mba hizaràna ny mikasika an’ireo zava-baovao rehetra izay efa tena misongadina tanteraka amin’izao fotoana izao ao anatin’izany ny fitantanana ny loza sy ny tandindodoza izany ary isan’ny miavaka amin’izany ny rafi-panairana marolafy manoloana ny loza mananontanina sy ny hetsika mialoha na ny « activités d’anticipation » izay hita taratra fa fomba tena mahomby afaka manampy amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza amin’ny vondrom-piaraha-monina, ny tanàna sy ny trano fonenany ary koa ireo foto-drafitrasa miaro asa fivelomany. 

Izany rehetra izany nifarana tamin’ny fametrahana paikady manokana entina manohana ny ezaka efa ataon’ireo tompon’andraikim-panjakana amin’ny fitarihana ny ezaka rehetra izay tokony atao amin’ny aminy fitantanana ny loza sy ny tandindondoza amin’ny ankapobeny sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’izany.

Mpandray anjara maro no tonga mavitrika nanatrika ity fotoana ity, anisan’izany ireo tany amin’ny distrika alavitra : Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Brickaville, Marolambo. Ny tanjona amin’izany dia ny fanatsarana, fiantohana ny fiomanana tsaratsara kokoa sy ny fahaiza mandamina sy mandrindra ny antotam-baovao ho an’ny ambaratongan-drafitra maro.

Ity atrikasa ity no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka CRS sy STARTNETWORK.

.

.

#MID

#BNGRC

#CRSMadagascar

#Startnetwork