Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FANAMPIANA AVY AMIN’NY SAODIANINA HO AN’NY VAHOAKA TRABOINA VOKATRY NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA TETO MADAGASIKARA.

Ny Alatsinainy 10 Aprily 2023 dia tonga teto anivon’ny BNGRC ireo solotenan’ny firenena Saodianina nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka malagasy traboina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara, vola mitentina roa tapitrisa dolara no hatolotr’izy ireo hividianana sakafo hamonjena ireo vahoaka traboina, marihina fa tsy vao sambany akory izao fanampiana ataon’ny Saodianina izao.

Fisaorana feno no natolotry ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, ary nanome toky hatrany fa tsy maintsy ho tonga any amin’ireo vahoaka sahirana ireo fanampiana ireo.

Ny faritra Vatovavy, indrindra fa ny distrikan’ny Nosy varika no hanaterana ny fanampiana manaraka.

“Zava-dehibe ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy sy ny fitohizan’ny fiarahamiasa hatrany”.

 

 

#MID

#BNGRC

#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza