Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: JournΓ©e Internationale pour la RΓ©duction de Risques de Catastrophe
13 octobre: JournΓ©e Internationale pour la RΓ©duction de Risques de Catastrophe

FANAMPIANA FAHA-4 ATAON’NY FIRENENA ARABIE SAOUDITE HO AN’NY FIRENENA MALAGASY HO AN’IREO VAHOAKA MALAGASY NOHO NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA

π—™π—”π—‘π—”π— π—£π—œπ—”π—‘π—” 𝗙𝗔𝗛𝗔-4 𝗔𝗧𝗔𝗒𝗑’𝗑𝗬 π—™π—œπ—₯π—˜π—‘π—˜π—‘π—” 𝗔π—₯π—”π—•π—œπ—˜ π—¦π—”π—’π—¨π——π—œπ—§π—˜ 𝗛𝗒 𝗔𝗑’𝗑𝗬 π—™π—œπ—₯π—˜π—‘π—˜π—‘π—” π— π—”π—Ÿπ—”π—šπ—”π—¦π—¬ 𝗛𝗒 π—”π—‘β€™π—œπ—₯π—˜π—’ π—©π—”π—›π—’π—”π—žπ—” π—œπ—­π—”π—¬ π— π—•π—’π—Ÿπ—” π—¦π—”π—›π—œπ—₯𝗔𝗑𝗔 𝗔π—₯𝗔-π—£π—œπ—©π—˜π—Ÿπ—’π— π—”π—‘π—” 𝗑𝗒𝗛𝗒 𝗑𝗬 π—§π—”π—žπ—”π—œπ—§π—₯𝗔 π—‘π—”π—©π—˜π—Ÿπ—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—₯π—œπ—©π—’π——π—’π—­π—” π—‘π—œπ—™π—”π—‘π—˜π—¦π—¬ 𝗙𝗔π—₯𝗔𝗑𝗬 π—§π—˜π—’, 𝗔𝗩𝗬 π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—”π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—‘β€™π—œ π—žπ—œπ—‘π—š π—¦π—”π—Ÿπ— π—”π—‘ - π—›π—¨π— π—”π—‘π—œπ—§π—”π—₯π—œπ—”π—‘ π—”π—œπ—— 𝗔𝗑𝗗 π—₯π—˜π—Ÿπ—œπ—˜π—™ π—–π—˜π—‘π—§π—˜π—₯.

Mbola maro tokoa ireo olona no tena sahirana ara-pivelomana noho ny takaitra navelan’ireo rivodoza nifanesy teto Madagasikara na dia efa nanampy aza ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, tena mbola tsy tafarina ireo mponina, ka maro ireo mbola tratry ny tsy fanjarian-tsakafo.
Β 
Tonga nanampy ny Firenena Malagasy indray ny Firenena avy ao Arabie Saoudite ary efa fanampiana faha-4 izao ataony izao avy amin’ny alalan’ny King Salman – Humanitarian Aid and Relief Center noho ireo fahavoazana mahazo ny firenentsika, ny Talata 15 Aogositra 2023.
Β 
Noho ny fisian’ny fifampitokisana teo amin’ny fanatanterahana ny asa dia tonga indray izy ireo nanatitra harona fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny alalan’ny BNGRC, fanampiana ho ana tokatrano miisa 44052 izay sahirana ara-pivelomana, ny tokatrano iray dia mahazo vary 25 kilao, voamaina 10 kilao, ary menaka 2 litatra.
Ny faritra Atsimo Atsinanana sy Faritra Atsimo Andrefana dia anisan’ireo misitraka izany fanampiana izany.
Β 
Ny totalin’ireo fanampiana dia ahitana vary milanja 1,101,3 Taonina, voamaina 440,52 Taonina, menaka 88,104 Litatra.
Β 
Mbola mitohy arak’izany ilay Β« Caravane Humanitaire Β» ka hozaraina ao anatin’izany ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana, ny avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny avy amin’ny Firenena Arabo.
Β 
Marihina fa tsy maintsy ho tonga any amin’ireo toerana hisitraka ny fanampiana ireo entana ireo, ary hisy ny tatitra izay hatao amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra lehiben’ny Governemanta mikasika ny fizarana.
Β