Mitohy hatrany ny “ CARAVANE HUMANITAIRE” izay fanampiana ara-tsakafo tanterahina aminy faritra maro izay nandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto Madagasikara.
Ny Faritra ATSIMO ANDREFANA no nisitraka izany tamin’ity manaraka ity , ao anatin’izany ny distrikan’i Morombe, Sakaraha, Toliara II ary Toliara I, ary ahitana kaominina 16 sy tokantrano maherin’ny 10.000.
Ity “ CARAVANE HUMANITAIRE”ity dia fiaraha-miasa amin’ny “Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany”, fiangonana izay manohana ny ezaka ataon’ny governemanta amin’ny fanomezana fanampiana ho an’ireo vondrom-piarahamonina tratry ny loza.
.
.
#MID
#BNGRC
#FIANGONAN’NY JESOA KRISTY HO AN’NY OLOMASIN’NY ANDRO FARANY