Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Fanomanana ny taom-pahavaratra 2022-2023

Noho ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI tamin’ny Faritra Haute Matsiatra dia natao mialoha ny fiomanana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba ahafahana mijery sy manara-maso ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampiana ara-tsakafo, ary ny fahafahana mandray fanapahan-kevitra haingana raha sanatria ka misy ny olana amin’ny famatsiana, vokatry ny loza ara-boajanahary.

Napetraka amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana eo amin’ny Faritra, Distrika, Kaominina, Fokontany, ireo tsy miankina, ireo fikambanana samihafa, mba ahafahana mandrindra mialoha ny loza sy ny tandindondoza. Natao izany tamin’ireo Distrika 7 ao Haute Matsiatra ka nidinana ifotony ireo kaominina isaky ny Distrika nanaovana fanadihadihana sy fakana toro-lalana niarahana tamin’ny ekipan’i BNGRC izay notohanan’ny mpiara-miombon’antoka PAM.

Mbola hitohy ny asa amin’ny fametrahana ny drafitra fitantanana ny loza sy ny tandindondoza ho an’ny faritra Haute Matsiatra mba hisian’ny rindran-damina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza mety hitranga.