Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FARITRA FITOVINANY – KAOMININA NAMORONA|NISITRAKA FANAMPIANA VATSY TSINJO AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA IREO TOKONTRANO MAREFO|BNGRC-MPPSPF.

Nanatanteraka fitsidihina ny Faritra Fitovinany ,Kaominina Namorona ny hiraka avy amin’ny fitondram-panjakana ny alakamisy 20 Aprily 2023,  amin’ny alalan’ny Ministrin’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, ramatoa SOAFILIRA Princia sy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC , ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja , nijery ifotony ny zava-misy any an-toerana ary nanolotra fanampiana ho fitsinjovana ireo tokantrano marefo ara-pivelomana miisa 650 eo amin’ny 3.250 olona eo no nisitraka vary milanja 16,250 taonina (25kg isan-tokantrano); menaka 650 litatra (1litatra isan-tokantrano), savony miisa 1.300  (2 isa isan-tokantrano). 

Tokantrano marefo miisa 1.188 ao amin’ny Kaomina 8 ao anatin’ity Distrikan’ny Manakara ihany koa no mbola hisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana tao aorian’ny Kaomina Namorona. 

Nandritra ity fandalovan’ny ramatoa minisitrin’ny mponina sy ny tale jeneralin’ny BNGRC tany an-toerana ity ihany koa no nanatanterahina ny famangiana manjo ireo fianakaviana namohy havana vokatry ny fihinanana Veoveo izay notronin’ireo solotenam-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana. 

 

.

#MID 

#BNGRC

#MPPSPF