Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FENO VALO TAONA TAMIN’ITY HERINANDRO ITY NY FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAMPIHENANA NY TANDINDONDOZA: NY TSARA HO FANTARINA.

Ny 18 Martsa 2015 no tapaka tao aorinan’ilay fivoriamben’ny Firenena mikambana mikasika ny fampihenana ny loza izay natao tao amin’ny tananan’ny Sendai tatsy Japon nandritra ny efatra andro ilay Drafitra iraisam-pirenena vaovao izay vaovao ho an’ny fampihenana ny tandindondoza ho ampiharina ato anatin’ny 15 taona manaraka (Cadre de Sendai pour la Reduction des Risques – 2015-2030).

Zava-dehibe sy manan-tantara amin’ny sehatra fitantanana ny loza sy tandindondoza ny fankatoavana azo nandritra izany fikaonan-doha lehibe izany satria nahafahana nahazo ny toky napetrak’ireo mpandray anjara maro an’isa fa hanatanteraka araka izay tratra sy ny fahafaha-manaon’ny tsirairay mba ahatratrarana an’ireo tanjona rehetra napetraka sy niaraha-nanaiky tao. Isany vina misongadina ao anatin’izany ny hampihenana araka izay tratra, alohan’ny taona 2030, ny voka-dratsy ateraky ny loza:

☆eo amin’ny lafin’ny fahafatesana ka ahatratrarana an’ilay tanjona mba hampihenana hatramin’ny  100.000 olona maty noho ny loza mitranga raha oharina amin’ny vanim-potoana 2005/2015. Izany vivavinan izany dia mifototra amin’ny isan’ny olona voakasik’izany maneran-tany amin’ny ampahany mitovy,

☆sy ny eo amin’ny lafiny fatiantoka mivantana ara-toekarena, 

☆ary koa eo amin’ny lafiny fahasimbana eo anivon’ireo fotodrafitrasa tena ilain’ny vahoaka indrindra eny ifotony ary fikorontanan’ny tolotra ara-tsosialy fototra, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana.

Misy tanjona fito no napetraka sy niaraha-nanaiky tao amin’izany fifanarahana iraisam-pirenena izany ary “ilàna sy mitaky fanoloran-tena matotra sy matanjaka ary fitarihana ara-politika ny fanatanterahana azy ireo”, hoy ny Solontena manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana misahana ny fampihenana ny tandindondoza, tamin’ny taona 2015, izay tsy iza fa Ramatoa Margareta Wahlström, izay sady lehiben’ny biraon’ny Firenena Mikambana miandraikitra ny fampihenana ny tandindondoza (UNISDR tamzany, UNDRR ankehitriny). Tsy vitan’izany fa nohamafisiny sy nampiany tao anaty lahateniny ihany koa fa “ny fampiharana an’izany Drafitra vaovao izany dia ho zava-dehibe amin’ny fanatanterahana an’ireo fanamby mipetraka ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovain-jafy.

I Madagasikara dia nandray anjara tany amin’izany Fivoriam-be izany ary isan’ireo Firenena maro 187 nankatò an’izany fifanarahana iraisam-pirenena izany. 

Izay indrindra no isany nanaovantsika fanavaozana ny Lalàna, ny Drafitra, ny paikady, ny didim-panjakana rehetra mikasika an’izany fampihenana ny loza sy ny tandindondoza izany nanomboka ny faran’ny taona 2015.

Mandray anjara mavitrika tao anatin’izany rehetra izany ny BNGRC ary isany manatanteraka sy mandrindra ny fanatanterahana ny lafiny rehetra ao anatin’izany rehetra izany araka ny andraikitra napetraky ny fitondram-panjakana aminy.

Eto amin’ny “atsasa-dalana” amin’ny fanatanterahana ny tetiandrom-panatanterahana an’izany fifanarahana iraisam-pirenena izany isika izao ary hisy ny tomban’ezaka tsy maintsy karakaraina amin’ny zava-bita. 

Miankina amin’ny fandraisanan’andraikitra sy ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay ny fahaombiazana sy ny fivoharana amin’ny tokony ho izy amin’izany, na ny olon-tsotra, ny fianakaviana, ny mpiara-monina, ny olom-boafidy, ny avy amin’ny sehatr’asa miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, ny mpitandro ny Filaminana, ny mpanao Gazety sy ny mpahay serasera, ny fiarahamonim-pirenena, ny avy amin’ny anjery manontolo sy sehatry ny fikarohana, sns… 

Ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, Ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, dia manentana antsika hatrany hifanome tanana hifandrindra amin’ny BNGRC mba hampihenantsika araka izay tratra ny fiantraikan’ny loza sy ny tandindondoza eo amin’ny mpiray tanindrazana amintsika sy amin’ity Firenena malalantsika ity amin’ny ankapobeny, ary hanohizantsika miaraka amin’ny Fitondram-panjakana ny asa fanatanterahana ny firosoana hatrany amin’ny Fandrosoana lovain-jafy.

 

#BNGRC

#MID

#UNMadagascar 

#UNDRR

http://ow.ly/4YKE50Nk1my