Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIARAHA-MIASAN’NY FOLOALINDAHY SY NY BNGRC: MIHAMATOTRA SY MIHAMISONGADINA HATRANY TATO HO ATO.

Hita taratra fa tena misongadina ny asa ataon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza tato anatin’ny taona vitsivitsy izay.

Nihatsara sy niha-manaraka mitanjozotra any amin’ny fenitra tokony ho izy izany rehetra izany indrindra tao aorinan’ny nivadihan’ny BNGRC ho lasa fitaleavana jeneraly.

Isany niavaka tamin’izany ny fidirana an-tsehatra nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny foloalindahy rehetra (AM, GN, PN) izay tsy mikely soroka manampy hatrany ny asa ataon’ny BNGRC amin’ny sehatr’asa maro ,na eo amin’ny lafiny fanomezan-tanana amin’ny fandrindrana izany, na eo amin’ny lafiny fanampiana mivantana ny vahoaka eny ifotony mandritra ny hamehana.

Mbola any Toliara sy Morombe any izao ohatra ireo miaramila mpamonjy voina avy amin’ny vondrona Vonjy Voina (Corps de Protection Civile) izay manampy betsaka amin’ny fikirakirana an’ireo milina fitrohana rano (motopompe) izay manampy betsaka an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny famerenana amin’ny laoniny indray ny andavanandrompianan’ny vahoaka. Ary natao voalohany amin’ny lahara-pahamehana amin’izany ny fanadiovana ireo sekoly ary ny fanariana tanteraka ny rano miandrona noho ny nafitsoky ny rivodoza Freddy.

Miaramila manam-pahaizana sy niofana manokana amin’ny vonjy voina tokoa moa ireo miaramila avy amin’ny CPC ary vondrona iray eo anivon’ny Tafika an-Tanety. Ny zandarimaria sy ny polisy nasionaly ihany koa amin’ny tandrify azy dia manome an’izany tantsoroka izany koa.

 Fitanterana entana sy fampitaovana ,fitandroana ny filaminanan’ny asa fanampiana ataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, fampitana sy fikirakiram-baovao, famonjena ain’olona, fitsaboana marary sy maratra, sns hafa ihany koa. 

Marolafy araka izany ny fototra ijoroan’izany afaka iarahan’ny BNGRC sy ny foloalindahy miasa mba hanatanterahana sy hanamorana ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza.

 

#MID

#BNGRC 

#ministerannyfiarovampirenena

#GendarmerienationaleMadagascar

#PolisimpirenenaMalagasy