Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIDINANA IFOTONY TAO AMIN’NY FARITRA FITOVINANY ARY NANOLORANA IREO FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MANOLOANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA FREDDY.

 

Ny Alahady 26 Febroary 2023, no tonga namangy ny Faritra Fitovinany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, nijery ifotony ireo takaitra voakatry ny fandalovan’ny rivodoza FREDDY sy ireo olan’ny mponina ao amin’ireo Kaominina telo (CR Nato,CR Ivato fenovola,CR Andemaka) ao amin’ny Distrikan’ny VOHIPENO.

Tsy nitondra tanam-polo anefa Andriamatoa Minisitra TOKELY Justin tamin’ny fandalovany tany an-toerana fa nizara fanampiana (vary,menaka,siramamy,voamaina) ho an’ireo mponina traboina tao amin’ireo Kaominina voalaza etsy ambony ireo.

 

#MID

#BNGRC