Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIDINANA IFOTONY TAO IFANADIANA ARY NANOLORANA IREO FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MANOLOANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA FREDDY.

Na dia tsy nandalo teto Ifanadiana mivantana aza ilay rivodoza FREDDY dia namela takaitra taty an-toerana ihany ny rivotra sy ny ranobe nentiny, ka ankoatran’ny fahasimbana teo amin’ny fambolena dia maro ireo trano dibo-drano sy ny tafo niongotra taty an-toerana. Tapaka tanteraka ihany koa ny fifandraisana indrindra fa ny Telma zara raha mahazo, mitsitapitapy kosa ny Orange.
Ny Kaominina Androrangavola sy Marotoko, ary Ambohimanga Sud no nahitana fahasimbana kokoa noho ireo Kaominina voakasika mivantana ireo.
Ny tao amin’ny Kaominina Ambiabe kosa efa samy nanaraka ny toromarika ny vahoaka ka tsy dia nisy loatra ny fahasimbana.
Fianakaviana 225 izay tena sahirana tao anatin’izay arak’izany no nitondran’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza na ny BNGRC tolo-tanana mba hanampiana azy ireo amin’ny fanarenana ny fiainany andavanandro, ka vary 100 lasaka na 5 tonnes, voamaina 20 lasaka na 1 tonne, menaka 150 litatra ary siramamy 5 lasaka no notsinjaraina ho azy ireo.
Ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, no nisolotena ny Filohan’ny Repoblika nananolotra ireo fanampiana ireo.
Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra moa fa fanarenana ny fiainana andavanandron’ny mponina no notanterahina voalohany izao, miandry ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa simba, ka anjaran’ireo Ministera voakasik’ izany no manamboatra ny manandrify azy ahafahan’ny asam-panjakana hitohy araky ny tokony ho izy.

#MID

#BNGRC