Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIFANANKALOZAN-KEVITRA NIARAHAN’NY EKIPAN’NY BNGRC SY NY CRS ARY NY TOMPON’ANDRAIKITRY NY TETIKASA MAHARO ANY ATSIMO.

Tonga nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin’ny ekipan’ny BNGRC Androy ny iraka avy amin’ny CRS izay tarihin’ny Ramatoa Jessica Virginia, “Responsable de Support au Projet CRS” avy any Baltimore/USA sy Andriamatoa Daniel Rouney, “Chief Of Party du Projet MAHARO” ary ny Directeur de Zone Grand Sud CRS.
Nihompana tamin’ny asan’ny BNGRC sy ny fiarahamiasa misy eo amin’ny BNGRC sy ny CRS amin’ny alalan’ilay “Projet MAHARO” no tena nifantohan’ny fifanankalozan-kevitra.


Nisongadina tamin’izany ny maha-zava-dehibe ireo tetikasa mahakasika ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza izay tanterahin’ny “Projet MAHARO” toy ny Fametrahana ireo rafitra eny ifotony(ELS) ao anatin’ny Faritra iasan’ny CRS, ny Fanamafisam-pahalalana(renforcement de capacité) ary ny “activités SAP”. Voaresaka ihany koa ny tokony hampitomboana ireo mpisitraka voakasiky ny “Projet MAHARO” satria raha ara-jeografika(Couverture Géographique) dia tsapa fa tonga hatrany ifotony, eny anivon’ny Fokontany, eny hatramin’ny zana-tanàna ny “Projet MAHARO” saingy eo amin’ny lafiny isan’ny mpisitraka no matetika ahazahoan’ny avy eto anivon’ny BNGRC fitarainana ka nampitaina tamin’ireo tompon’andraikitra izany fitarainana izany.


Voaresak’ Andriamatoa Daniel, fa taorian’ny fifampiresahana nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitra tao Androy toa ny Governoran’ny Faritra sy ny ORN, no nahatsapany fa ilaina ny fisian’ny mpitrandraka, mpitahiry ary mpikirakira antontanisa eto anivon’ny BNGRC Androy satria antoky ny fampandehanan-draharaha sy ny famaliana ireo filàna isan-karazany ny fisian’ izany ato anatin’ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza.
Namaly avy hatrany ny teto anivon’ny BNGRC izay efa eo ampamolavolana ny fiarahamiasa sy ny fametrahana izany miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’izao fotoana izao.


#MID
#BNGRC
#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza