Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Fihaonamben’ny vovonana iraisam-pirenena ho an’ny mpiantsehatra amin’ny fampihenana ny tandindondoza andiany faha 7: mandray anjara ny Tale Jeneralin’ny BNGRC

Mamita iraka any Bali – Indonesia ary mamonjy ny Fihaonamben’ilay Vovona Iraisam-pirenena ho an’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fampihenana ny tandindondoza amin’izao fotoana izao ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja sy ny Delegasiona tarihiny. Ito fotoan-dehibe ito, izay karakarainan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampihenana ny tandindondoza isan-taona, dia nanasana an’ireo olo-manakaja sy tompon’andraiki-panjakana sy ireo avy ao amin’ny sehatra tsy miankina, ao koa ireo avy amin’ny Firenena mikambana, sy ireo avy amin’ny sehatry ny fikarohana, eo ihany koa ireo matianina amin’ny resaka serasera sy ny ady amin’ny fihovanan’ny toetr’andro, ary ireo mpiharo ny zon’olombelona, ny mpamonjy voina, sns…

Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy an’izany fotoan-dehibe izany ito manamboninahitra Jeneraly ito amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy ny fandrindrana ary ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena mikasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindondoza eto Madagasikara. Niara-dia taminy tamin’izany ihany koa ny Sekretera Mpanatanteraky ny CPGU dia tsy iza fa ny Jeneraly RAZAKANAIVO Mamy.

Betsaka ny fihaonana miandry ny delegasiona malagasy amin’izany iraka tanterahiny any Indonesia izany ary antenaina fa hitondra hevitra sy fifanarahana-piaraha-miasa maro izay ahafahana manatsara sy manamafy ny fomba fitantanana ny loza sy ny tandindondoza aty amintsika. Marihina moa fa isany dinihina manokana amin’izany fifanakalozana traikefa iraisantsehatra lehibe izany ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny rafi-panairana marolafy amin’ny loza mananontanina. Ny mety ho fanatsarana hatrany an’ity farany aty Madagasikara dia fantatra fa hisy fiantraikany tsara sy hitondra vokatsoa mivantana ho an’ireo vahoaka malagasy indrindra ireo tena marefo amin’ny fahatarana-miatrika ny loza sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampihenana ny tandindondoza.

Natao omaly Alarobia 25 May 2022 tamin’ny fomba manetriketrika izany ny lanonam-panokafana izany ary teo ambany fitarihan’Andriamatoa Joko WIDODO, Filohan’ny Reponlikan’i Indonesia. Tonga nanome voninahitra izany ihany koa Ramatoa Amina J. Mohammed, lefitry ny Seketera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, sy ireo olo-manakaja an’arivony avy amin’ny Firenena maro manerana an’izao tontolo izao. Aharitra herinandro moa ny fihaonana any ary efa nanomboka tamin’ny 23 Mai 2022