Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Fitsidihan’andriamatoa praiministra, lehiben’ny governemanta taty amin’ny distrikan’ ampanihy andrefana.

Nanatanteraka fidinanana ifotony taty amin’ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana, Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian, ny faha 10 Desambra 2021. Nandritra izany fahatongavany izany no nijereny manokana ny toerana hananganana ilay ivon-toerana ho fandraisana an-tànana manokana ireo zaza sy ny reny, ny vehivavy mitondra vohoka ary ireo karazan’olona marefo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo eto anivon”ny Distrika. Maro ireo karazana fikarakarana hositrahan’izy ireo rehefa tafatsangana io foto-drafitr’asa io toy ny fanaraha-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo, eo koa ny fanomezana sakafo sy rano fisotro madio.

Araka ny efa notaterin’ny BNGRC tamin’ny alalan’ny CCOK Ampanihy moa dia misy ireo mpitsoa-ponenana mandao ny toerana misy azy noho ny haintany ka miakatra eto amin’ny renivohitry ny Distrika. Noho ny fahatsapana izany olana fototra izany no nahatonga ny fitondram-panjakana hanangana izao Ivon-toerana izao. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana moa ny ady amin’ny KERE.

 

Tanteraka tao anatin’ny fidinana ifotony nataon’Andriamatoa Praiminisitra izany ihany koa ny dinidinika niarahana tamin’ireo solontenam-panjakana, ireo olom-boatendry toy ny tale Jeneralin’ny BNGRC sy ireo olom-boafidy isan-tsokajiny ary ireo mpisehatra rehetra miady amin’ny KERE na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana, izay nahafahan’izy ireo nanao tatitra sy nikaroka ihany koa ireo vahaolana maharitra amin’ity ady atao amin’ny KERE ity.

 

Tamin’io fotoana io ihany koa no nilazan’Andriamatoa Praiminisitra ny hatsaraina mba ho manara-penitra ny seranam-mpiaramanidin’ny Distrikan’Ampanihy na ny « Aérodrome » mba hahazaka fiaramanidina lehibe toy ny ATR. Izany moa no natao mba hisarihana ireo mpizaha-tany hampandrosoana ny lafiny ara-ekonomika sy ny mba hanamorana ny fivezivezen’ny vokatra sy ireo mponina.