Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIVAHINIANAN’NY SOLON-TENAN’NY IDMC TETO ANIVON’NY BNGRC

Noraisin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja ny delegasionina avy ao amin’ny IDMC(Internal Displacement Monitoring Centre) ny Alatsinainy 12 Jona 2023.

Voaresaka nandritra izany fihaonana izany ny momba ireo fifindra-monina anatiny izay nateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, na koa ireo vokatry ny loza voajanahary.

Voadinika tao anatin’izany ihany koa ny fifampizarana traikefa sy ny mety ho fiaraha-miasa, indrindra indrindra ny fanatsarana ny fikirakirana ireo antontan-kevitra rehetra.

Marihina moa fa maro ireo sampan-draharaha mbola ho tsidihan’izy ireo akoatra ny BNGRC.

 

#MID

#BNGRC