Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

Fivorian’ny komity ivondronan’ireo mpisehatra mitantanana ny loza, fizaram-baovao sy fanaovana tatitry ny fahavoazana tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza freddy.

Notanterahina ny Alarobia 22 Febroary 2023, ny fivoriana voalohany mikasika ny tombana tamin’ny fahasimbana nateraky ny fandalovan’ ilay rivodoza FREDDY teto Madagasikara sy ireo tatitry ny asa natao sy mbola miandry ireo mpisehatra isan-tokony eny anivon’ny fiarahamonina.Ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja, ireo mpikambana ao amin’ny CRIC(Comité de Réflexion des Intervenants en Catastrophes) ary ireo teknisianin’ny BNGRC no niatrika ny fivoriana.

Voaresaka tao anatin’izany :

 – Ireo toromarika avy amin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny amin’ny fandrindrana ny asa rehetra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza FREDDY;

 – Ny vinavina ny amin’ny mety ho fizotran’ny rivodoza avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro;

 – Ireo tatitra rehetra voaray teto anivon’ny BNGRC tamin’ny fahasimbana sy ny fahavoazana nateraky ny rivodoza;

 – Ary vaovao samihafa : mahakasika ny fahasalamana, sy fijerena ny fanampiana ho an’ireo traboina.

#MID#BNGRC#CNCOU