Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FIZARANA FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA HO AN’IREO VAHOAKA TRABOINA VOKATRY NY ROTSAK’ORANA TAMIN’NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA FREDDY.

Mitohy hatrany ny fizarana fanampiana ho an’ny vahoaka traboina avy amin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (na BNGRC), izay natao ny Asabotsy 11 Martsa 2023 tao amin’ny Distrikan’Antananarivo I, Fokontany Antohomadinika.

Vary 890 kg, voamaina 267 kg, vatsy tsinjo 89 ary siramamy 89 kg no nozaraina tamin’ireo vahoaka traboina tao amin’ny trano fandraisana traboina vonjimaika na site d’hébergement Antohomadinika.

Ramatoa lehiben’ny Distrikan’Antananarivo I, ny solontenan’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny solontenan’ny Depiote Antananarivo I ary ny ekipan’ny BNGRC no nizara izany fanampiana izany tamin’ireo vahoaka. Nisy ihany koa ny fanentanana ny mponina mba hanaja ny fahadiovana ka tsy hanary fako anaty lakan-drano intsony mba hampihenana ny fiakaran’ny rano.

Tamin-kafaliana tokoa no nandraisan’ ireo vahoaka traboina izany fanampiana izany ary nisaotra ny Fitondram-panjakana izy ireo.

 

#MID

#BNGRC

#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza