Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe
13 octobre: Journée Internationale pour la Réduction de Risques de Catastrophe

FOKONTANY OUEST MANANJARA : FIZARANA FANAMPIANA AVY AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA MALAGASY NOHO NY ROTSAK’ORANA TAMIN’NY FANDALOVAN’NY RIVODOZA FREDDY.

Anjaran’ny Fokontany Ouest Mananjara, Antananarivo IV indray izao no nahazo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana avy amin’ny alalan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (na BNGRC), izay natao ny Alatsinainy 13 Martsa 2023 tao amin’ny Distrikan’Antananarivo IV.

Vary 2060 kg, voamaina 618 kg, vatsy tsinjo 206 ary siramamy 206 kg no nozaraina tamin’ireo vahoaka traboina.

Ny Filohan’ny Fokontany, Andriamatoa RAZAKANIRINA Michel, ny Filoha lefitry ny lehiben’ny Distrika Antananarivo IV, Andriamatoa RALALANDRIAMALAY Dina Fenosoa, ny solontenan’ny Fiadidian’ny Repoblika ary ny ekipan’ny BNGRC no nizara izany fanampiana izany tamin’ireo vahoaka traboina.

 

#MID

#BNGRC

 

#izaytsarafiomananatsyhotampohinnyloza